ActualitésTsidika

Zazavavy 13 taona, rovitra fivaviana noho ny fanolanana nahazo azy tany Anahidrano

Tsy lefy ary tsy ho lefy ity resaka fanolanana ity raha tsy misy ny ezaka mafy avy amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. « Gadra mandrapahafatiny no tena mendrika ho an’ny mpanolana », hoy ny fanehoan-kevitry ny olona iray mba hanafoanana ny fanolanana eto amin’ny firenena. Ny 25 jona 2021 tokony tamin’ny 08 ora alina lasa teo manko izao raha iny nivoaka namonjy lanonana fitsenana ny fetim-pirenenana i Fredine kely, zazavavy 13 taona. Nentin’ny tovolahy roa, Lepanga 16 taona sy Drio 17 taona samy monina ao Mahamavo, nakany amin’ny tranon’i Drio mba hanaovan’i Jean Chrys Tola 18 taona firaisana ara-nofo raha ny fitantaran’ny fianakavian’i Fredine.

Rehefa tonga tao an-trano nanaparan’ity tovolahy ity ny filan-dratsiny ilay tovovavy. Vokany, nikararana ny rà, rovitra ny fivavian’ilay zaza kely 13 taona ary navoakan’izy ireo ihany izy rehefa vita ny filany. Tsy izay ihany anefa fa vokatry rà maro izay hita nikararana tamin’ilay zaza dia voatery nohentina tany amin’ny CSB II Anahidrano izy, in-telo tsy nahatsiaro tena araka ny fanazavana nataon’ny Dadilahiny (dadabeany) izay nametraka fitarainana tamin’ny zandary ny 28 jona 2021.

Tsy niandry ela ny zandary ka nisambotra avy hatrany ireo telo lahy voarohirohy tamin’ity tranga ity ka ao anatin’ny famotorana sy hampiakatra izany amin’ny fitsarana izy ireo amin’izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire