ActualitésTatitra

Seychelles : Voaverin’ny Air Seychelles ny ankahamaroan’ny trosany

Nitentina 31 tapitrisa dollars ny trosan’ny Air Seychelles ny faran’ny taona 2020 teo. Manoloana izany dia notantanan’ny fitantanan-draharaham-pitsarana nandritra ny 2 taona ny orinasa. Nahahefa ny ankamaroan’ny trosany nefa ny Air Seychelles. Mitentina 27,8 tapitrisa dollars no efa tafaverin’izy ireo.

Raha tsiahivina dia efa tafaverina amin’ny Air Seychelles ny fitantanana ny orinasa na mbola tokony hanefa 3,2 tapitrisa dollars aza izy ireo. Antony ny drafitra fiarovana natolotr’izy ireo tao amin’ny fitsarana ara-barotra izay nankatoavin’ireto farany.

Anisany nanavotra ny Air Seychelles kosa ny fanadaboan’ny mpiara-miasa taminy taloha Etihad Airways ny 79% ny trosa na 72,3 tapitrisa dollars nananany tamin’io orinasam-pitanterana an’habakabaka io. Raha tsy nisy io fanam-pahakevitrin’ny orinasan’i Émirats Arabes Unis io hoy ny tompon’andraikitra dia efa foana ny orinasa Air Seychelles.

Laisser un commentaire