Maurice : Amin’ny volana oktobra no hanaovana ny vaksiny fatra fahatelo
Tokony asiana vakisny fampahatsiahivana avokoa ny vaksiny na ny Sinopharm, Covishield, Covaxin, Sputnik, AstraZeneca na ny Johnson & Johnson hoy ny High Level Committee misahana ny Covid-19. Ireo mauricien nanao ny vaksiny ny Sinopharm, Covishield, Covaxin, Sputnik, AstraZeneca dia hanao ny andiany fahatelo amin’ny volana oktobra izao raha ny fanazavany raha andiany faharoa kosa ho an’ireo nanao ny Johnson & Johnson.Entina hanamafisana kokoa ny fiasan’ny vaksiny izany hoy ny mpanolotsaina zokiny ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana, Dr Catherine Gaud. Olona 840 381 kosa no vita vaksiny voalohany ny sabotsy teo hoy izy hatrany ary 780 177 no vita nahavita ny vaksiny feno.
