SocialTatitra

Afrique : Avy aiza ny famorana ny vehivavy ?

Tsy voafaritra mazava ny tena niandohan’ny famorana ny vehivavy saingy raha ny fantatra dia tao Nubie izany ao Afrique izay faritr’i Egypte sy Soudan ankehitriny. Nahitana io famorana io mantsy ireo “momies” sasan-tsasany ao an-toerana. Misy kosa nefa ireo fikarohana sasany manambara fa efa tany alohan’ny fisian’ny fivavahana kristianina sy silamo izany.Antony io famorana ny vehivavy tamin’izany andro io olona teo amin’ny sokajy ara-tsosialy. Ireo ray aman-dreny sahirana tamin’izany no mamora ny zanany vavy mba ahafahany mampanambady azy amina lehilahy mpanan-karena. Niova izany antony izany taty aoriana rehefa niparitaka tao Yémen ny fomba, izay lasa fomban-drazan’izy ireo mihitsy.Tamin’ny taona 50 kosa no tonga tao Europe sy Etats-unis izany, antony nanaovan’izy ireo azy kosa ny fiadiana amin’ny aretina toy ny aretin-tsaina, alahelo, ny fiaraha amin’ny samy vavy, « hystérie », « épilepsie… »

Laisser un commentaire