Myanmar : Fitsarana voalohany an’i Aung San Suu Kyi
Anio no fotoana tokony hitsarana ilay mpitarika teo aloha Aung San Suu Kyi, ao amin’ny renivohitra ao Naypyidaw. Nosamborina ny 1 febroary lasa teo ary nalaina tany an-tokantranony mihitsy, ity nahazo ny “prix Nobel de la paix” ny taona 1991 ity araka ny nambaran’ny mpisolovava azy. Hotsaraina noho ny raharaha fanondranana talkies-walkies an-tsokosoko izy ity, eo ihany ny tsy fanarahana ireo fepetra sakana amin’ny coronavirus ary ny fandikana ireo lalàna mifehy ny fifandraisan-davitra. “Haheno ireo vavolom-belona ny fitsarana anio. Tsy haneho hevitra i Aung San anio” hoy ny nambaran’ny mpisolovava azy, Khin Maung Zaw tamin’ny AFP. Voarohirohy amin’ny fandikana ny lalàna mikasika ny tsiambaratelom-panjakana tamin’ny fotoanan’ny fanjanahantany ihany koa izy. Nisy ihany koa ny resaka fanodikondinam-bola sy volamena ary ny kolikoly. Raha sanatria ka voamarina fa olo-meloka I Aung San, mety higadra mandritra ny taona maro izy.
