Ny trano malagasy
Fahiny, niray trano ny olombelona sy ny biby fiompy toy ny akoho amam-borona sy ny zanak’omby. Eo afovany ny andry sy ny fatana. Misy ny avara-patana: toerana fametrahana ny ray aman-dreny sy ny vahiny manan-kaja. Misy ihany koa ny andrefam-patana izay toerana fikarakarana ny nahandro sy ny fisakafoanana. Misy milaza ihany koa hoe toerana fanaovana dinidinika amorom-patana. Toerana fitantarana angano sy tantara hoan’ny ankizy rehefa hariva ihany koa ny andrefam-patana. Atsimom-patana kosa dia fametrahana ireo biby fiompy toy ny akoho amam-borona sy ny zanak’omby ary ny fitaovana fiasana tahaka ny angady, ny sobika, sns…
Ny faritra atsinanana kosa, natokana ho fatoriana. Ny Ntaolo mantsy rehefa matory dia mitodika miantsinanana ny loha.
Ny zoro firarazana kosa dia ny fihaonan’ny rindrina avaratra sy atsinanana.
Fenohasina Ratsimamitaka
