Social

Ny famokarana “Puce” ho an’ny fiompiana omby

Tafiditra ao anatin’ny programampanjakana ny fametrahana “puce” ho an’ny omby. Mbola manjaka eto amin’ny firenena ny asan-dahalo ka anisan’ny lasibatra amin’izany ny fiompiana omby. Taona maro lasa, very hevitra ny mponina nohon’ny fahaverezan’ny fananana. Mbola mijaly amin’ny asan-dahalo sy ny fangalarana ny faritra maro manerana ny Madagasikara. Nametraka tetik’asa ny filoha manoloana izany. Namokatra “GPS” ny orinasa misehatra eo amin’ny teknolojia na ny “GTC”. Fiaraha-miasa amin’ny fanjakana no nanatontosana izao asa izao. Tanjona ny fanatsarana ny fandrim-pahalemana sy ny fahafahana mahita avy hatranay ny toerana hitondran’ny dahalo ireo omby. Mitondra filaminan-tsaina ho an’ireo mponina any ambanivohitra ihany koa izy ity. Hita fa mampandroso firenena tokoa ny fivoarana. Maro ny tombontsoa azo amin’ny fampiasana teknolojia avo lenta tahaka izao.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire