Social

Ny asa fivarotana tsakotsako

Mpivarotra tsakotsako efa nanomboka ny taona 2009 i Raholison Voahangy Lalaina, etsy analakely izy no mivarotra izany ary asa efa nataon’ireo zokiny ka nataony ihany koa tato aoriana.

Ny chips, cacapigeon ary ny voandàlana no amidiny ary io no hivelomany sy ny ankohonany.

Ny ovy ihany no ilaina raha hanamboatra izay chips izay, ny lafarinina kosa raha ny cacapigeon ary miampy voanjo manta izany raha hanao voandalana.

Olona efatra no mifandrimbona mikarakara izany ary ny ariva no hikarakarana ny pate-n’ny cacapigeon raha toa ka eo no eo ihany dia vita ny chips sy voandalana.

Tsotra ny fomba hisaritaba ireo mpanjifa dia ny fiantsoana sy firesahana azy ireo, ary rehefa manantona dia resahina tsara. Manomboka ny 500 ariary ny kapoakan’ny chips sy cacapigeon raha toa ka 1 000 ariary ny famarana ny voandàlana. Nambaran’i Voahangy fa ny faran’ny taona no mandeha ny tsena raha toa ka tena manahirana izany isan’andro ankohatra ny sabotsy sy alahady. Na izany na tsy izany, mahavelona ny fianakaviany ihany ity asa ity ary tsy nataony nahakivy na manao an’andro aza ny tsena hoy hatrany izy.

Narcia Hantanirina

Laisser un commentaire