Miverimberina ny fitokonan’ny Mpianatry ny Oniversiten’Antananarivo
Miverimberina indray tato ho ato ny fitokonana eo amin’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Anisan’ny tena mahatonga azy ireo manao fihetsiketsehana ny tsy fifanarahana eo amin’ny mpandraraha ny oniversite sy eo amin’izy ireo. Maneho ny tsy fahafaliany manoloana ireo hevitra miseho ny ankamaroan’ny mpianatra. Nanatanteraka izany ny mpianatra ho mpitsabo ny zoma 12 febroary lasa teo. Raikitra ny fifandonana teo anivon’ny polisim-pirenena sy ireto farany. Nivoaka ny faritry ny anjeimanontolo izy ireto. Fangatahan’ny mpianatra ny hanenana ny saram-pisoratana anarana na ny fampiakarana ny vatsim-pianarana. Tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana teo an-dalambe no nanehoan’izy ireto ny fahatezerany. Nirotsaka an-tsehatra nanaparitaka ireto mpianatra tamin’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ny polisy. Hatreto aloha dia tsy hita loatra izay vahaolana maharitra fa toa miverimberina foana ny fitokonana ataon’ny mpinatra.
Fanilo Rarivoarilala
