Benjamin Franklin : Ataovy namana ny fahazotoana raha te ho lasa lavitra amin’ny fandraharahana
Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, efa maro ny olona kamo mampiasa saina sy tsy dia manana fijery lavitra intsony. Tsy misy hafa-tsy ny fampiasana saina ihany anefa no ahafahana mandroso sy mandeha lavitra raha tena te ho mpandraharaha mafy Vokatr’izany, hahita fahombiazana ianao ary ho tsara homana ny hoavy raha manana fahazotoana.
Betsaka ny olona no manontany tena hoe : inona no tsiambaratelon’ny fahombiazana ? Fa olona manao ahoana no afaka ny hahomby ? Inona no tena tsiambaratelon’ireny olona mpanan-karena ireny ?
Tsy misy izany hoe tonga dia nahomby izany raha tsy nilofo, tsy misy izany olona manana ny ampy izany ka tsy nandalo fisedrana. Anisan’ny nahazoana izany mety ho faniriana ao anatin’ny tsirairay izany anefa ny fahazotoana sy ny fikirizana. Ireo no mila atao namana raha te handroso sy ho tafita eo amin’ny fiainana. Toy izany avokoa no zavatra tokony atao rehefa te hanatratra tanjona iray, eny fa na dia eo amin’ny sehatry ny fandraharahana aza. Arak’ilay fitenintsika Malagasy manao hoe « mila zotom-po sy faharetana ny zava-drehetra raha tiana hahomby ».
« Tsy misy dikany tokoa aloha ny fanirianao sy ny hetahetam-ponao raha tsy misy fahazotoana aloha ao aminao voalohany indrindra e ! Toy ny hoe atody miady ama-bato mantsy ianao amin’izay fotoana izay » hoy i Sariaka, tanora mpandraharaha. « Tsy ny fahazotoana irery ihany no afaka atao fitaovana enti-manatratra izany fahombiazana eo amin’ny tanjona napetraka izany, fa na ny herim-ponao rehetra ihany koa aza » hoy kosa i Tonny, tanora.
Milaza kosa anefa i Benjamin Franklin, iray amin’ireo ray mpanorina ny Etats-Unis fa « ny fahazotoana no renin’ny harena tsara ». Tsy tena mifantoka be loatra amin’ny harena ara-bakiteny ny mpanoratra eto, fa heveriny ho harena tsara ho anao raha efa manana fahazotoana ianao. Azo lazaina ho mpanan-karena izany ny olona manana zotom-po.
Aza mora kivy sy mitanondrika ry tanora namana fa tsy mbola nisy very tamin’ny fananana fahazotoana izany. Saingy, aoka izay zavatra eritreretinao hitondra voka-tsoa ho anao ihany no hanananao fahazotoana.
Miangaly Rasoamihajamanana
