SocialTsidika

Sara Blakely : Atao laharam-pahamehana ny zava-drehetra

Raha te hisehatra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny olona iray dia mila manome lanja ny zavatra rehetra. Amin’ny alalan’izany mantsy no ahafahana miroso mankany amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Ary maro ny vokatra mety ho azo avy amin’izany fanomezana lanja ny zava-drehetra izany.

Ilay zavatra tena tsy noraharahianao iny indrindra no tokony hifikiranao mafy. Tsy fantatra mantsy izay mety ho avoaky ny ampitso. Mety hitondra fahombiazana lehibe ho anao iny, na traikefa lehibe ho anao. Tsarovy fa ao anatin’ny tsy firarahiana toy izany no ahitana ny nenina avy eo. Kanefa rehefa tahak’izany ny zava-mitranga dia tsy misy azo atao intsony hafa-tsy ny manorina na manangana hevi-baovao indray. Eo anatrehan’izany, tsy maintsy manenjika ny fotoana very ianao, kanefa na dia hanao izay fara-herinao ary ianao, tsy ho tratra ary tsy azo averina intsony ny fotoana very. Raisina ho laharam-pahamehana ny zava-drehetra, indrindra raha misehatra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, na ihany koa vao te hisehatra. Manomboka amin’ny bitika indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, tsy tokony hisy tsinotsiniavina.

 » Tsy dia niraharaha loatra ny izany hoe hanala fanadinana Baccalauréat classe de 1ère izany aho sady série scientifique mihitsy, kanefa afaka soa amantsara aho izao ary mention Bien mihits » hoy i Constance, tanora.  » Misy dikany ny zavatra iray matoa tsy omen-danja satria heverina fa tsy dia laharam-pahamehana eo amin’ny fiainana » hoy kosa i Clara, tanora te hisehatra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana.

Manambara kosa anefa i Sara Blakely, mpanorina ny Spanx, hoe « fikiro ireo zavatra tsy asianao lanjany, indrindra any am-piandohana, satria ny tsy fantatrao dia mety ho lasa fanananao lehibe indrindra. Izany no manome fahafahana ho anao hanao zavatra miavaka amin’ny an’ny hafa ».

Aza misy tsinotsiniavina ny zava-drehetra tonga ao an-tsainao noho izy mety ho vintana lehibe ho anao. Kanefa, ampandalovy fisainana avokoa ny hevitra rehetra, ary halalino tsara mialohan’ny hanatanterahana azy.

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire