Ambohitriniandriana : Tanàna mivoatra ao Fieferana
Maro ireo vohitra sy toerana manan-tantara ao Avaradrano fa ity ho jerena nadroany ity no « Ambohitriniandriana ». Raha ara-panjakàna dia iray amin’ireo fokontany manadrafitra an’i Fieferana izy. Raha ara-tantara kosa dia efa 250 taona no naha tanàna an’Ambohitriniandriana.
Isan’ireo fokontany be mponina indrindra Ambohitrininadriana raha eo amin’ny kaominina Fieferana, ary manana safidy roa amin’ny lalana raha ho any Ambohitriniandriana : afaka mitsofoka eo amin’ny Somacou raha amin’iny lalam-pirenena fahatelo iny no mizotra ; raha amin’ny lalam-pirenena faharoa kosa indray dia eo Ambatolampikely no mitsofoka.
Raha ny fanazavan’i Joseph, Zokiolona ao an-toerana, dia « izany Vanovavy izany no razam-ben’ireo mponina. Ihavoambony tamin’izany no anarana niantsoana ny tanàna. Fa taty aoriana kosa dia nivadika ho Ambohitriniandriana izy. Nanana vady maro io razam-ben’izy ireo io, ary isan’izany ny mpanjaka’avaradrano Andriambelomasina, ary izy dia anisan’ny nanentana ny olona hifindra monina ho eny Ihavoambony. Nisy zanany koa tao noho izy isan’ny vadin’i Vanovavy. Nanorina vato teo afovoan-tanàna izy ireo rehefa nifindra teo, ka teo no nanaovana ny velirano, ary mbola hita ao mandrak’ankehitriny. Vato natao ho fifanakatiavana, ka izay mivadika aloha kely ila. Io no tsitsika natao tamin’izany fotoana teo amin’io vato io ».
Mbola hita ao an-toerana ihany koa ny trano nonenan’ny mpanjaka, izay vita tamin’ny hazo « kontona ». Taty aoriana dia nampiana andry izy io mba tsy hianjera fa hijanona ho vakoka hoa an’Imerina sy Madagasikara. Teo amin’io trano io no fivoariana sy fihaonan’ny andriana, ary izay indrindra no nahatonga ilay anaran-toerana hoe « Ambohitriniandriana ».
Misy vavahady roa ao an-toerana : ny iray hidirana ary ny iray ivoahana. Indrindra rehefa mandevina dia tsy maintsy manaja ny rafitra. Amin’ny maha vohitr’andriana azy dia voahodidina hadivory izy, ary mariky ny fiandrihanam-pirenena izy ireo. Misy aviavy miisa 37 koa ao an-tanàna. Misy amin’izy ireo no mbola ahitana diam-bala. Tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany mantsy no nampisy azy ireo. Notifir’ireo mpanjanaka teo ny menalamba tratrany, ary ananaovany fety izany. Ny bala nitifirana an’ireo maherifon’ny tanindrazana ireo no niraikitra ho fahatsiarovana teo amin’ireto aviavy izay namatorana azy ireo. Ny tranon’ny governora Rajaogarivony koa dia mbola tazana tao an-toerana, 15 voninahitra izy ary tena natahoran’ny vahoaka fatratra.
Ny vakoka dia mitoetra ho fahatsiarovana ho an’ny olona ao amin’ny tanàna iray misy azy, ary ho an’ny iray firenena ao aminy koa. Taty aoriana, efa anjatotaonany maro, dia efa nivoatra sy lasa tanàna goavana Ambohitriniandriana, ary ahitàna fivoarana amin’ny lafiny rehetra. Ny lalana taloha no tena anisan’ny olana sy nanhirana ireo mponina, ka tsy afaka nitondra ny vokatra niakatra tany andrenivohitra. Amin’izao kosa efa vita izany ary efa tongan’ny fiara tsara ny lalana raha toa ka hitsidika na hijery ny tanàna.
Lovasoa Tojonirina
