Fampianarana : Misy hatrany ireo zazavavy mitondra vohoka mandritra ny adina ara-panatanjahantena amin’ny baccalauréat
Am-polony indray ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana baccalauréat no fantatra fa mitondra vohoka. Rehefa fotoan’ny adina ara-panatanjahantena hatrany no hahalalana izany. Tamin’ity taona ity dia maromaro indray ireo tovovavy tsy afaka niatrika hatramin’ny farany ny fanadinana tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
« Sady mety hahafaty ilay ankizy no mety ihany koa hahafaty ilay zaza entiny am-bohoka ao ny fanadinana izay terena ho ampanaovina azy raha notohizana ka tsy maintsy najanona izany. Mety hitondra takaitra ho azy ireo izany. Tokony hampahafantarina azy ireo ny voka-dratsin’ny fanerana ny vatana handray anjara amin’ity adina ity rehefa fantany fa mitondra vohoka izy », hoy ireo mpanadina EPS.
« Mila tohanana ireny ankizy ireny raha mieritreritra ny hijanona amin’ny fianarana. Matoa iny nafeniny dia misy antony ao ka mila ny fanohanan’ny Ray aman-dreny izy ireo hahafahany miatrika ny fiainany. Mety mbola te hanohy fianarana izy, iza no mahalala. Ny fiterahana ihany koa tsy midika fiafaran’ny fiainana », hoy ity psychologue iray.
Fanabeazana mila ezaka lehibe ny fanentanana ny ankizy tsy hiroso amin’ny firaisana aloha loatra. Anisan’ny tetika iray ahafahana miala amin’ity tranga miseho isan-taona ity ny fanamafisana ny fanabeazana. Mila fiaraha-miasa amin’ny Ray aman-dreny ihany koa anefa izany.
Miora Raharisolo
