Ambohimangakely : Nisy ny fizarana fanomezana niarahana tamin’ny Association Soa
Notanterahana ny alarobia, 13 desambra teo, ny hetsika fizarana fanomezana ho an’ny vehivavy sy ny renim-pianakaviana tao amin’ny kaominina Ambohimangakely, niarahana tamin’ny association Soa. Hafaliana no nandraisan’ireo vehivavy avy ao amin’ny vakim-paritra Ampasika sy Ambaniala izany, araka ny voalaza.
“Tahaka ny efa fanao isan-taona, dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Ambohimangakely sy ny Association Soa, izay avy eto an-toerana ihany. Rehefa fotoana ankatoky noely tahaka izao dia mizara fanomezana ho an’ny vehivavy sy ny renim-pianakaviana. Ao anatin’izany misy ny panier garnie, ahitana vary, savony, labozia, menaka” hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.
“Tena faly tokoa nahazo fanomezana avy amin’ny fikambanana Soa. Misaotra ny tomponandraikitra sy ny kaominina amin’ny fanohanana sy fanampiana ny vehivavy hatrany. Zava-dehibe tokoa izao amin’ny fiatrehana ny fety” hoy i Ernestine, renim-pianakaviana.
Marihina moa fa ny Association Soa Ambohimangakely dia fikambanana mijoro ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely, izay tarihin’ny Vadin’ny Ben’ny tanana mitantanan ny tanàna ary miompana indrindra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona. Ankoatry ny fanomezana fiofanana maimaim-poana izay efa nataony dia misy ihany koa ny asa Sosialy ataon’izy ireo.
