SocialTatitra

Papouaisie-Nouvelle-Guinée : Olona maherin’ny 19 maty tamina adim-poko

Olona 19 farahafahakeliny no maty tao anatin’ny andro vitsy izao tao Papouaisie-Nouvelle-Guinée nandritra ny fifandirana foko roa tao an-toerana. 4 amin’ireo olona ireo no matin’ny « grenade » hoy ny manam-pahefana ny alatsinainy 12 aprily. Resaka adi-tanin’ireo mponina ao amin’ny faritanin’i Hautes-Terres orientales, akaikin’i Kainantu no vontoatin’ny fifandirana hoy hatrany ireo manam-pahefana. Samy teo an-toerana avokoa ny foko roa nanao sonia fifanarahana mahakasika ny fizarana tany. Raikitra anefa ny ady tamina vehivavy roa ka nitarika ny savorovoro nahafatesana olona 12. Olona 7 indray no matin’ny “grenade” ny ampitson’io. Nisy fandorana trano ihany koa talohan’izay hoy ny “Post-Courier”. Nijanona tsy niady intsony ireo foko rehefa nandefasana manam-pahefana saika handamina ny raharaha, saingy olona ampolony maro kosa no efa maty talohan’ny nahatongavan’izy ireo.

Laisser un commentaire