Asa Avotra : Fanomezana asa ho an’ny tokatrano sahirana manerana ny fokotanin’Antananarivo Renivohitra.
Tokatrano miisa 21 000 amin’ny fokotany 192 manerana an’Antananarivo renivohitra no hisitraka ny tetik’asa “Asa Avotra”. Tanjona ny hanohanana ireo fianakaviana misedra olana sy fahasahiranana vokatry ’ny krizy ara-pahasalamana nisy teto amin’ny firenena. Hisy, araka izany, ny fiofanana sy ny asa homena azy ireo. Hisitraka 5000 ariary isan’andro izy ireo mandritra ny fotoam-piasany.Ao anatin’ny 20 andro no hanatanterahana izany.Tafiditra ao anatin’ny tetik’asan’ny fitondram-panjakana izy ity mba hiarovana ny sosialim-bahoaka sy hanampiana ireo fianakaviana tojo fahasahiranana sy fahasorotana.
Fanilo Rarivoarilala
