Alasora : Fatin-jaza nisy nandevina teny antanimbary
Tao aorian’ireo fanarian-jaza nifanesisey dia nahitana fatin-jaza nilevina indray tao an-tanimbary iray tao Alasora omaly maraina. Olona sendra nandalo no nahita kipako ka nijery izany sy ny manodidina raha ny fanazavana.
« Tena mampahonena ny zava-misy ankehitriny, firifiry izay zaza menavava nariana sy maty re tamin’ny vaovao izay » hoy i Bakoly, mponina eny an-toerana. « Lehilahy aho fa mba fon-dreny toy ny ahoana kosa no mahavita izao? » hoy kosa i Lahatra, nanatrika ny fahitana.
Tsy fantatra mazava kosa izay nahafaty sy nandevina an’ity zaza ity. Tena tsy fidiny tokoa ve ny mahazo ireto olona manary sy mamono zanaka ireto ?
Hasina Rasamimanana
