ActualitésTsidika

Avaradrano : Fanatanjahan-tena ho an’ny daholobe

Mikarakara fiaraha-miazakazaka ny ho an’ny mponin’i Sabotsy Namehana sy Ankadikely Ilafy ny « Fitness body ». « Tontosaina isaky ny sabotsy io hetsika io ary maimaimpoana » hoy ireo tompon’andraikitra. Ao amin’ny kianja Alarobia no hotanterahina izany ny sabotsy izao ary amin’ny enin’ora latsaka fefany no fahatongavana eny an-toerana ».

« Fiampitaizana no atao, antony tsy akana vola » hoy i Josue, tompon’andraikitr’io hetsika ara-panatanjahan-tena io. Nanamafy izy fa hisy fitaizam-batana sy kotrana « fitness », « squat », « vitesse », « cardio », « aerobic » ho atao amin’izany. « Tena mahafinaritra ny hetsika » hoy i Rova, mpandray anjara. « Tena mety kosa ny fanaovana rodo-be toy izao fa ilay mandeha irery maraina efa tsy milamina intsony ny tànana » hoy i Fano, mponina ao Sabotsy Namehana.

Anisan’ny manatsara ny toe-pahasalamana ny fanatanjahantena, mampavitrika sy hahavita bebe kokoa izy rehefa iarahana amin’ny olona hafa.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire