SocialTsidika

Alasora : Hoasim-panavaozana ny « rond point » Mandikanamana

« Taratry ny fandrosoana ny endriky ny tànana ». Efa mizotra ho an’ny fanatsarana izany ny ao amin’ny kaominina Alasora. « Kaominina mandroso, madio ary mahasarika mpitsidika sy mpizaha tany no tanjona » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, ka hoasim-panavaozana ny làlana mihazo azo.

Mampifandray toerana maro io « rond point » io : ny avy any By pass sy ny sampanana miditra ny fokontanin’Ankadindratombo, ny sampanana mihazo an’ny Domaine mankany amin’ny « gazety » ary ny sampanana roa hafa mihazo an’Ambohimanambola sy Ambohimangakely.

« Tsy ho mena mitaha amin’ny hafa io fanamboarana » io hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina. « Efa manao ezaka ny kaominina dia mba tokony hajaintsika mponina kosa ny foto-drafitr’asa » hoy i Fifaliana, mponina ao an-toerana. Nilaza kosa nefa i Gaston, mpandinika ny fiaraha-monina fa « tokony ny vidim-piainan’ny vahoaka aloha no jerena vao mirosaoo amin’ny foto-drafitrasa indray ».

Ny endrika ivelany ihany tokoa ve izany no mamaritra ny fandrosoana ?

Hasina Rasamimanan

Laisser un commentaire