SocialTatitra

La Réunion : Lozam-pifamoivoizana, i iray naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany La Réunion ny marainan’ny Alatsinainy 12 Avrily teo. Fiara telo be izao ny nifandona tamin’ny lalana mizotra ho any Saint Denis sy La Possession. Ramatoa iray, 53 taona no naratra mafy ary tsy maintsy nentina haingana tany amin’ny hôpitaly satria tena natahorana ny ainy. Akoatr’izay, roa hafa no naratra, vehivavy 34 taona ary lehilahy iray 42 taona. Nisy ny fitohanana naharitra noho izany tamin’ny « route du littoral ». Efa niverina kosa ny fifamoivoizana tamin’ny 12 atoandron’io andro io ihany.

Laisser un commentaire