Inde : firenena faharoa voakasiky ny covid-19 indrindra
Tafiditra ho laharana faharoa amin’ireo firenena voakasiky ny valanaretina coronavirus indrindra i Inde ny alatsinainy 12 aprily. Tafakatra ho maherin’ny 168 000 isanandro ireo olona voamarina ho mitondra ny valanaretina ao an-toerana. Ny tsy fanajana ny fanaovana aro vava orona no nambaran’ireo mpiandraikitra fa antony lehibe indrindra nahatonga ny fiakaran’ny taha faran’izay aingana ao Inde. Tao anatin’ny 7 andro monja, efa tafakatra 873 000 ireo olona voamarina fa mararin’ny covid-19. Mananika ny 70% miohatra ny tamin’ny herinandro lasa izany raha araka ny antontan’isa noraketin’ny AFP. Efa mby manakaiky an’i Brésil i Inde amin’izao fotoana. Nohamafisiana araka izany ny tsy fahafahana mivoaka amin’ny alina sy ny fampiharana indray ny sazy ho an’ireo izay tsy manaja ny fepetra rehetra ao Inde.
