Ankadikely Ilafy : Tranoheva miisa efatra no nampirantiana ireo vokatra avy ao amin’ny kaominina
Tontosa soa aman-tsara nanditra ny faran’ny herinandro teo ny hetsika lehibe, “foire Analamanga 2023” andiany voalohany, izay nokarakarain’ny avy amin’ny faritra Analamanga. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny kaominina Ankadikely Ilafy, trano heva miisa efatra no nentina nanehoana ireo vokatra avy ao an-toerana nandritra izany, araka ny voalaza.
“Hetsika iray anisan’ny zava-dehibe ho an’ny kaominina ny fandraisana anjara tamin’ity tsenabe ity. Nandritra izany no nanasongadinana ireo vokatry ny tantsaha sy ny asa tanana izany mampiavaka sy mampalaza ny kaominina. Maro ihany koa ireo zava-baovao mahaliana hita tety an-toerana fa ny tena zava-dehibe dia ilay hetsika nentina nanohana sy nanomezana lanja ny vita Malagasy, indrindra ny vokatry ny tany, ny fambolena sy ny fiompiana, ny sakafo sy ny asa tanana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Izao hetsika izao no tanteraka dia teo ny fandraisana anjara an’ireo orinasa sy rafitra isan’ambaratongany maro, anisan’izany ny ministera, izay hisaorana manokanana nanome sehatra malalaka nahafahana nanatontosa ny hetsika. Ity moa no hetsika andiany voalohany. Mampananetana araka izany ny faritra Analamanga fa mbola ho tsara kokoa ny andiany manaraka” hou ny avy amin’ny governoran’Analamanga.
Sehatra iray goavana, ahafahana mampivelatra ny seha-pihariana fototra sy hanomezan-danja ireo tantsaha ny tsenabe tahaka izao. ny fampiroboroboana izany dia anisan’ny mitondra fampandrosoana.
Manitra R.
