Dépêches

Fitaterana an-tariby eto Antananarivo: Mandroso ny asa fanamboarana

Mandroso hatrany ny fanamboarana ny fitaterana an-tariby eto Antananarivo (TPC) amin’izao fotoana. Tapaka nandritra ny fisafoana nataon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana sy ny avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ary ny orinasa miandraikitra izany asa izany, teny an-toerana ny loko ampiasaina amin’ny TPC. Tontosa ny faran’ny herinandro teo moa ny « gros œuvre », ny « génie civil » amin’ny gara sy « garage cabine » Anosy ary hirosoana afaka andro vitsy ny fametrahana ny « poulies » sy ny motera hitondra ny tariby. Miroso ihany koa ny asa ary an-dalam-pahavitana ny fototra sy ny « pieux » ho an’ny eo Soaranao izay isan’ireo gara fito anatin’ny zotra « orange » ary efa vonona ny « box » vaovao 30 amin’ireo 150 isa atao eo amin’ny Petite vitesse handraisana ireo mpivarotra manodidina ny « pylône » ary hisitraka tsikelikely sy hisoratra amin’izy ireo izany.

Laisser un commentaire