ActualitésSocialTsidika

Anosy Avaratra: Nisy ny asa fikojana ny lalana tao amin’ny sampanana Lazaina-Amboniloha

Niroso tamin’ny fanatanterahana ny asa fikojana ireo lalana tao amin’ny sampanana Lazaina ka hatreny Amboniloha ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Anosy Avaratra, nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Asa izay tsy maintsy atao, mialohan’ny fotoanan’ny fahavaratra izany fanamboaran-dalana izany, araka ny voalaza.

“Tsy niandry ela fa natomboka avy hatrany ny asa araka ny tapaka tamin’ny fifanakalozan-kevitra sy fanentanana izay natao tamin’ireo mponina manodidina ety amin’ny faritra. Hisaorana izy ireo amin’ny fahavonona sy ny fifanohanana havitana malaky ny asa” hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Ny asa atao moa ao anatin’izany dia ny fanapenana tara ny arabe misy lavaka, mba ho mafy tsara ka tsy ho mora lasan’ny orana. Ankoatra ity asa eto ity dia hirosoana ihany koa ny fikojakojana ny lalana sampanan’ny Hopitaly Anosy Avaratra sy Ambohitrinimanga, ity farany izay efa vita ny dinika sy fakan-kevitra tamin’ireo sefom-pokontany sy tompon’andraikitra amin’izany’” hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy misatahatra manentana ny mponina amin’ny soa iombononana ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Na izany aza anefa, mbola maro ireo lalana ao an-toerano mila fanamboarana, izay hanaovan’ny mponina ao an-toerana antso avo ny tokony hanamboaran izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire