SocialTatitra

France: Lehilahy iray nahatratrarana cocaine milanja valo kilao

Lehilahy iray 22 taona no nahatratrarana zava-mahadomelina, ka notatana am_ponja avy hatrany, tany Nantes, France. Ireny alika mpitsongo dia ireny no nampiasain’ny mpitandro filaminana ka nahafahana nisambotra ity farany. Mitentina maherin’ny 25.000euros ny vovony amin’ny cocaine tratra tao amin’ity lehilahy ity. Nahitana 8kilao tamin’izany tao aminy rehefa nosavain’ny tomponandraikitra mpiasan’ny doany ny fiara nentiny. Nahitana fangarony hafa, 500grama tamin’ny “pollen de cannabis” ihany koa tao aminy ankoatra izany.

Laisser un commentaire