Indonésie : Hahazo onitra ny fianakavian’ireo niaram-boina tao amin’ny kianja Kanjuruhan
Nisehoana fifanosehana nahafaty olona manodidina ny 125 isa izay zaza ny 32 tao amin’ny kianjan’ny Kanjuruhan, filalaovana baolina kitra ao Malang ny faran’ny herinandro teo. Voasokajy ho isan’ny loza nandoza indrindra teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra io zava-nisy io.
Raha hiverenana ny tranga dia olona an’arivony no tonga nanohana ny ekipa Arema FC kanjo resin’ny ekipa mpifaninana tamin’ny isa 3-2 izy ireo. Tezitra ny mpijery ka niakatra teny amin’ny kianja ary voatery nandefa baomba nandatsa-dranomaso ireo manam-pahefana. Niteraka fifanosehana goavana nefa izany.
Nanaiky ny hanonitra ireo fianakaviana niaram-boina kosa ny filohan’i Indonésie Joko Widodo. Hanolotra 50 tapitrisa Roupies avy ireo fianakaviana 125 isa ireo ny fanjakana raha ny tatitrin’ny minisitrin’ny filaminana ao an-toerana Mahfud MD.
