ActualitésTsidika

Fampiroboroboana ny vary safiotra : Vahaolana amin’ny fahavitantena ara-tsakafo

Nisy ny hatrik’asa sy fankan-kevitra mahakasika ny fampiroborobona ny vary safiotra eto Madagasikara nataon’ireo mpiara-misehatra eo amin’ny lalam-pihariana toy ny mpikaroka, ny avy amin’ny vovonan’ny lalam-pihariana vary, ny orinasa mpamokatra sy mpivarotra ary ny solotenan’ny AfricaRice, ny andron’ny talata 02 aogositra teo.

Raha tsiahivina, taorian’ny fikaonan-doham-pirenena farany natao, tanjon’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ny hananan’ Madagasikara fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny taona 2023. Ao anatin’izany ny hampitomboana ny voka-bary ho 6 tapitrisa taonina sy hampiakatra famokarana ho 10%.

Raha himasoana tokoa ny fampiroboroboana ny fambolembary eto Madagasikara ahatongavana amin’ny fahavitantena ara-tsakafo, vokatry ny zava-misy, tsara ihany koa raha ny fanohanana ireo tantsaha mpamboly no atao laharam-pahamehana noho izy ireo mpisehatra voalohany, ary tokony hisitraka ny fampiofanana sahaza azy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire