ActualitésTsidika

Isoraka : 25 000 ariary isam-bolana ny saran’ny fiantsonan’ny fiara

Efa nihatra nanomboka ny talata teo ny fandoavana  »parking » eny Isoraka. Nanaiky nanome fiantsonana ho an’ny mponina manodidina amin’ny sarany 25 000 Ar isam-bolana ny tale jeneralin’ny orinasa SMGD, taorian’ny fifampiresahana.

« Mizara ho toy izao izany : 10 000 Ar ho an’ny kaominina, 15 000 Ar kosa ho an’ny fikambanana. Entina hiantohana ny fandriam-pahalemana sy ny hanadiovana ny tanàna » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. « Miasa, ary misy hatrany, ny tolotra amin’ny alalan’ny QR code azon’ny rehetra sitrahina. Azo aloa isam-bolana na isan-taona izany » hoy ny tompon’andraikitra.

Afaka miantsona amin’ny toerana rehetra eto an-drenivohitra ny fiara. Misy kosa io anjara biriky ho an’ny fiantsonana io ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire