Variole du Singe : Inona ireo tsara ho fantatra ?
Ny « variole du singe » dia aretina ateraky ny « orthopoxvirus simien ». Tsimok’aretina « zoonose virale » izy io izany hoe mety mifindra amin’ny olona avy amin’ny biby. Mety hinfindra amin’ny samy olona ihany koa nefa izy.
Maro ireo fomba fisehony. Misy ireo mety maneho soritr’aretina maivamaivana. Misy ihany koa ireo maneho soritr’aretina misy fahasarotana ka mila fikarakarana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Ny vehivavy mitondra vohoka, zaza ary olona malemy hery fiarovana (immunodéprimée) no tena mety ho tojo izany tranga misy fahasarotana izany. Ny tazo, aretin’andoha, fahararian’ny hozatra, fanaintainan’ny lamosina, fahaverezan-kery ary « ganglion lymphatique ». Miaraka amin’ny « éruption cutanée » izany soritr’aretina izany izay mety ho hita eny amin’ny faritra samihafan’ny vatana.
Amin’ny ankapobeny dia maharitra 2 na 3 herinandro eo izany soritr’aretina izany ary manjavona samy irery. Misy ihany ny fanafody azo hanalefahana izany. Mety ho lefy ho azy izany io aretina io saingy mety hahafaty ihany koa, ireo sokajin’olona marefo teo ambony no mety ho voakasik’izany trangam-pahafatesana izany. Eo anelanelan’ny 1 sy 10% ihany nefa no trangam-pahafatesana hita tamin’io aretina io hatramin’izay.
Raha tsy te ho tratran’io aretina io dia tsara ny manaja ny elanelana amin’ny olona na biby mety ahiahiana mitondra izany. Mila diovina matetika ihany koa ny faritra na toerana mety nipariahan’ny aretina ary mila manaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny aretina amin’ny faritra misy ny tena.
Raha miahiahy ny amin’ny fitondrana ny tsimok’aretina kosa dia tsara ny manatona mpitsabo avy hatrany manao fitiliana sy mihiboka mba hiarovana ny hafa. Marihina fa azo tsaboina « variole du singe » ary efa misy ny vaksiny fanefitra nankatoavin’ny OMS.
