ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola : Mitohy ny fanatsarana sy ny fandaminana ao amin’ny SEKA

Ao anatin’ny fandaminana sy fanatsarana ny tolotra mahakasika ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny mponina, ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny Service Eau, kaominina Ambohimanambola (SEKA), amin’izao fotoana. Tao anatin’ny fotoana nisoloan’ireo tomponandraikitra misahana izany rafitra izany, dia misy ihany koa ny fomba fiasa niova, izay mbola maro amin’ireo mpanjifa no tsy mahafantatra.

“Ao anatin’ny fanatsarana hatrany na ny resaka fampitsitrahana rano na ny resaka fitantanana izahay tomponandraikitra amin’izao fotoana, anisan’izany ny faktiora. Manoloana ny fanatsarana eo amin’ny fametrahana marika isaky ny “ Compteur ” sy ny “ Trano Mpanjifa ” dia tsy mbola tafapetraka tsara ilay fizarana faktiora 5 andro aorian’ny fandraisana “ Index” araka ny fampahafantarana izay natao teo aloha” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny SEKA.

“Noho izany dia tsy mbola mihatra ny tatao 4% ho an’ny fandaniana volana Aogositra raha tsy aorian’ny 25 Septambra 2023 ho avy izao. Marihana ihany koa, fa tsy misy fanapahana rano mialohan’io daty io. Mikasika ny fitarainana eo amin’ny “ Préssion ” sy ny “ Compteur” dia azon’ny mpanjifa atao ny manao fangatahana fitsirihana amin’ny teknisianina eto anivon’ny birao SEKA na eto amin’ny kaominina ambohimanambola varavarana voalohany » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa, fa anisan’ny nampitaraina ireo mponina ny fahitana ny tatao 4% tao anatin’ny faktioran’ny rano izay naterin’ireo tomponandraikitra teny amin’ireo mpanjifa. Ity farany izay sazy mipetraka raha tara ny fandoavana ny volan-drano.

Manitra R.

Laisser un commentaire