SocialTsidika

Téléphérique eto Antananarivo : Tena ilain’ny vahoaka tokoa ve ?

Malaza ho tsy mitàna ny teny nomeny ireo mpanao politika malagasy. Nampanantena telepherique na irony fitanterana an-tariby ambony irony ny Filoham-pirenana Andry Rajoelina ary hanatanteraka izay nolazainy. Fantatra fa afaka 2 taona no ho vita ity foto-drafitr’asa ity. Miisa roa izy ireo. Ny iray hampitohy an’Anosy sy Ambanidia, ary ny faharoa hanao zotra Anosy-Ambatobe. Hanatsara endrika ny renivohitra izany no hampihaina ny fotoana lany any anaty fitohanan’ny fifamoivoizana. Vola tokoa ny fotoana hoy ny vahiny. Tsy voafaritra mazava aloha ny saran-dalana ao amin’izany. Fanontaniana mipetraka ihany koa ny hoe ahoana ny mahakasika ny herinaratra andefasana azy ireo? Ny jiro eto Antanananarivo aza mampitaraina mafy ireo mpanjifa. Laharam-pahamehana sa tsia ny téléphérique ? Mahavita mamaha ny olana ara-tsosialy ve ? Samy manana ny valim-panontaniana ny rehetra araka ny tombon-tsoa sy firehena politika arahany. 

Dinah Razanajatovo

Laisser un commentaire