ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nisy ny fizarana kilalao sy vatomamy ho an’ny ankizy

Nisy ny fizarana vatomamy sy kilalao ho an’ireo ankizy tao Ambohimanambola tamin’ny alahady lasa teo. Nandritra izany izany koa no nanokafana ny toerana fanaovana hetsika ao an-toerana izay nomena ny anarana hoe « Coliseum kely »

« Tonga maro be teto an-toerana ireo vahoaka sy ny ankizy na dia tampoka aza ny filazana sy fampahafantarana ny hetsika » hoy ny tompon’andraikitra.

« Manomboka amin’izao fisokafany izao dia maro ireo fifaninana hiseho eto an-toerana, izay hampandraisana anjara ireo ankizy sy tanora maro eto an-toerana ka any amin’ny alatsinainy ny paska any no hanaovana ny famaranana izay hanomezana loka goavana » hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny toerana fihaonan’ny mponina sy fanatanterahana hetsika izay mahavory olona, ny ankizy sy ny olon-dehibe moa ity toerana ity ary mendrika ny hasiam-panavaozana sy fanatsarana tokoa mba hanomezana endrika ny tanàna.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire