Ambohimangakely : Ireo tanora no tena entanina ao anatin’ny fiofanana eny amin’ny BTC
Ireo tanora no tena entanina ao anatin’ny fiofanana eny amin’ny BTC Ambohimangakely. Anisan’ny tanjona ao anatin’ny hetsika fanomezana fiofanana maimaim-poana ho azy ireo, ny hanome fahalalana hahafahan’ireo tanora mianatra asa sahady mba hanomanany ny ho aviny, indrindra ny eo amin’ny famoronana asa mahavelona sy maharitra.
“Ireo tanora rehetra, lehilahy na vehivavy manomboka eo amin’ny 15 taona ka hatramin’ny 25 taona dia afaka misitraka ny fiofanana ato amin’ny BTC avokoa. Ny fanosehana sy ny fanohanana ireo tanora ireo hanana ny fahaiza-manao hidirana any amin’ny sehatry ny asa no anisan’ny tanjona napetraka ato anatin’ny fanofanana” hoy I Jessicat, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.
“Anisan’ny nahaliana ahy ny fahitana ireo karazana fiofanana ato amin’ny BTC. Izaho ihany koa efa tsy liana intsony amin’ny resaka fianarana lava be any am-pianarana ka izay nahatonga ahy nanapa-kevitra hianatra asa momba ny plomberie de base ato” hoy I Elysé, mpiofana.
Manampy betsaka ny tanora, ary mifameno amin’ny filàna amin’ny sehatry ny asa ireo fiofanana misy ao amin’ny BTC. Ampatsiahivina, fa ny fiofanana momba ny lakozia, ny tefy vy, ny plomberie de base, taranja informatika, ny fampiarana teny vahiny, ny “efficacité professionnelle”, sy ny maro hafa no hita ao amin’ny BTC. Tsy azo adinoina ny taranja vaovao, dia ny “cours d’appui” ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinana BEPC sy ny bakalorea.
Manitra Ramanantsoa
