SportTsidika

Ankadinandriana : Mitohy ny lalao hiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna

Hotontosaina amin’ny asabotsy ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadinandriana. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny lalao, izay hihaonan’ny Aigle Amboanjobe sy Morarano.

« Tsara raha manohana ny ekipany ny isam-pokontany mba ahafahan’izy ireo miezaka sy mandroso hatrany. Tongava maro ihany koa ho an’ireo zanantsika eto Ankadinandriana ireo. Miianga amin’ny ekipa isam-pokontany ohatran’izao mantsy ny mandrafitra ny ekipam-pirenena raha tsara fanohanana » hoy ny mpikarakara ny lalao. « Omby no loka hiadiana amin’ity lalao ity. Ekipa valo no hiatrika ity lalao ampahefadalana ity. Misaotra ireo nandray anjara rehetra izahay » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadinandriana.

Hirariana mba hiroborobo hatrany ny taranja baolina kitra eto Avaradrano. Tsy vitsy tokoa ireo zanak’Avaradrano lasa lavitra ao anatin’ity tontolon’ny baolina kitra ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire