ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Nitafa tamin’ireo vahoakan’Ambohitrinimanga sy i Isahafa ny avy ao amin’ny kaominina

Nisy ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra sy vahoaka tao amin’ny fokontany Ambohitrinimanga sy fokontany Isahafa. Dinidinika mikasika ireo fomba entina hampandrosoana ny fokontany no natao.

« Ilaina mihitsy ny firesahana mivantana amin’ny vahoaka ahitana ireo vinampampandrosoana mety amin’izy ireo. Tsy voatery hitovy mantsy ny olana mianjady amin’ny isam-pokontany tsirairay » hoy i Feno, manam-pahaizana mikasika ny fampandrosoana lovainjafy. « Nanentana ny vahoaka mikasika ireo adidy tokony ho hefaina amin’ny alalan’ny hetra izahay sy ny maha zava-dehibe ny fandoavana izany. Betsaka ireo tolotra mahasoa ny vahoaka omen’ny kaominina, izay azon’ny rehetra atao ny misitraka izany. Manatona ny biraon’ny kaominina hatrany fa vonona hihaino ny vahoaka izahay ary mandray ireo fanamarihana na fitarainana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra.

Fokontany maromaro izao no nisitraka ity hetsika fandehanana ifotony ataon’ny avy ao amin’ny kaominina ity. Miankina amin’ny vahoaka sy ny mpitondra tokoa ny fampandrosoana ny tanàna, ary tsara raha iaraha-mijery.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire