Miakatra sa midina ny lentan’ny fanabeazana ?
Manao ahoana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara ankehitriny ? Izany no fanontaniana mipetraka eny am-bavan’ny maro raha ny tontolon’ny fanabeazana no resahina.
Manoloana ny fampahalalana vaovao sy fanambarana mikasika ny lentam-pahaizan’ireo zanaka Malagasy dia ilaina ny mampahafantatra antotan’isa novolavolain’ny Unité des évaluations des acquis scolaires na UEAS hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Tanjona amin’izany ny mba hahafahantsika mandrefy izany sy manatsara ny kalitaon’ny fanabeazana. Navoaka noho izany ireto isa ireto. Isan-jaton’ny mpianatra T2 manana ny fahaizana ampy amin’ny vakiteny malagasy: tamin’ny taona 2019, eto amin’ny firenena 21, 1%, any amin’ny faritra Androy 20,7%, Anosy 23,4%. Isan-jaton’ny mpianatra T2 manana ny fahaizana ampy amin’ny vakiteny malagasy: tamin’ny taona 2020, eto amin’ny firenena 30, 0%, any amin’ny faritra Androy 44,3%, Anosy 31,7%.
« Nahitana fiakarana ny lentan’ny fahaizan’ny mpianatra T2 izao », hoy ny mpampianatra iray tany Androy. Nisy araka izany ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana sy ireo mpisehatra rehetra ao anaty ny tontolo ny fanabeazana. Ny fanabeazana ny zanaka Malagasy rahateo no tena antoky ny fampandrosoana ny firenena ka tena isan’ny zava-dehibe tokoa.
Nicole Rafalimananjara
