SocialTatitra

France : Mpitsabo roa hafa indray niharan’ny vono nataon’ireo gadra tao amin’ny hopitaly

Mpitsabo roa indray no niharan’ny vono nataon’ireo olona notsaboiny tao amin’ny toeram-pitsaboana ireo gadra, tao amin’ny hopitaly iray any avaratr’i Marseille, France. Tratran’ny fikorotanana ara-tsaina ireto marary notazonina tao amin’ity toeram-pitsaboana ity ireto, ary ireo mpitsabo roa lahy no voatendry handray an-tanana azy. Voktr’izany anefa, novonoin’ireo marary ireto mpitsabo ka tena voa mafy, izay niafara tamin’ny fanatsaharana azy ireo tamin’ny asany mihitsy izany. Niverina matetika ity tranga famonoana mpitsabo ity tato ho ato, tany an-toerana. Tao anatin’ny iray volana izao, in-telo no nitrangan’izany, izay tranga mitovy avokoa eo amin’ireo marary, dia ny fikorotanana ara-tsaina.

Laisser un commentaire