ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Faly ireo mponina nisitraka ny vatsin’ankohonana

Notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fizarana ny vatsin’ankohonana, tao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Maro ireo mponina no nisitraka izany, araka ny voalaza.

« Hisaorana ny fitondram-panjakana sy ny FID nanolotra ity tetik’asa ity. Anisan’ny manampy be ireo mponina, indrindra ireo tantsaha ity tetik’asa ity » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

« Faly ny tenenay nahazo fanohanana avy amin’ny fanjakana. Hisaorana ihany koa anefa n’y kaominina ao anatin’izany satria raha tsy nisy ny adisisika sy ny fijerena ny mahasoa ny vahaoka Dia tsy nisitraka izao izahay » hoy i Fetra, renim-pianakaviana.

Marihina moa, fa aharitra amam-bolana ny fisitrahana ny vatsin’ankohonana. Vola mitentina fito alina ariary kosa no raisin’ireo mpisitraka.

Laisser un commentaire