Grèce: Nirehitra ny lanitra nandritra ny fanatanterhana ny “guerre des fusées hifanaovan’ny fiangonana roa samihafa
Fifanakalozana “fusées” mandritra ny alina, izay no tranga mahavariana entin’ny fiangonana roa samihafa tao Vrontados, any Grèce, hankalazana ny paka isan-taona. Ny alin’ny 4 hifoha 5 mai teo no nanatanterahana ity fomba ity tao an-toerana. Antsoina hoe “Rouketopolemos” ity fomba iray ity. Ao anatin’izany, mandefa fusées mankany amin’ny fiangonana hafa tsy mitovy aminy ny fiangonana iray. Homanina mialoha mihitsy ity fomba ity sy ny fandefasana izany, indrindra ny singa ao anatin’ny fusées, izay marihina fa vita tanana ireo fusées ireo. Mandritra ny fotoanan’ny fivavahana ny handefasana izany (misy ireo mpandefa ny fusées any ivelany ary mitohy hatrany ny fivavahana ao anatin ‘ny fiangonana). Fomba iray malaza any an-toerana ity “guerre des fusées” ity ary efa taon-jato maro no efa nanao izany ny mpino any an-toerana. Anisan’ny mahasarika ny mpizahatany sy ny mpitsidika any Grèce izany saingy nikorotana sy nihena noho ny fisinan’ny valan’aretina Covid-19.
