France : Mpampianatra literatiora iray no niray tamin’ny mpianany 14 taona
Nanomboka ny tamin’ny fihibohana tamin’ny taona 202 dia nifandray tamin’ny mpianany an-jotra ny mpampianatra literatiora iray tao amin’ny kolejy Saint-Michel d’Annecy. Rehefa nandeha ny fotoana dia nivoatra fifankatiavana ny fifandraisan’izy ireo ary tonga hatramin’ny firaisana ara-nofo mihitsy ny taona 2021.
Tamin’ny volana septambra 2021 vao hitan’ny ray aman-drenin’ny tovovavy ny resaka nifanovany tamin’ny mpampianatra azy 36 taona io. Nosamborina io lehilahy io taorian’izany, niaiky ny zava-nisy izy ary nigadra saingy navotsotra teo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.
Marihina fa araka ny volavolan-dalàna nivoaka ny 21 aprily 2021 tao France dia endrika fanolanana ny firaisana ara-nofo amin’ny ankizy latsaky ny 15 taona na misy elanelana 10 taona na manaiky aza ny andaniny sy ny ankilany.
Arakin’ny fanazavana dia efa vosambotra nohon’ny herisetra ara-nofo sy ny fihazonana sary « pédopornographiques » ihany koa ny tale lefitra talohan’io sekoly io.
