Ankadikely Ilafy: Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao an-toerana
Saika naneho fitaraina sy fahaverezan-javatra hatrany, tao anatin’ny tambazotran-tserasera facekook, ireo mponina ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, nandritra iny herinandro lasa iny. Manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana ao an-toerana, araka ny voalazan’ireo mponina.
“Tsy mifidy hangalirana intsony ireo olon-dratsy fa na ireo jiro mipetaka eny amin’ny tranon’olon-tsotra natao hanazava ny lalana ety an’elanelan-trano aza dia misy mangalatra. Vao tamin’ny faran’ny herinandro ihany koa no nandrenesana ny fahavakisan’ny fiangonana iray ka lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny fitaovana isan-karazany” hoy I Laurent, mponina ao Ankadikely Ilafy.
“Miantso ireo mpitandro filaminana izahay mponina ety ifotony mba handray andraikitra sy hanatanteraka fisafoana, indrindra fa amin’ny alina fa tena mitaintaina ny mponina manoloana ny tsy fahandriam-pahalemana tato ho ato” hoy I Lydia, tompona toeram-pivarotana.
Anisan’ny fotoana ilàna fiaraha-mientan’ny mponina amin’ny mpitandro filaminana ny fanomezam-baovao mahakasika ny tranga tahaka izao, manamora ny fitadiavana ireo mpanao asa ratsy ihany koa, toa ny fanomezana loharanom-baovao raha misy ireo olona ahiahiana amin’ny tranga na mitahiry ny fitaovana very isan-karazany.
Manitra Ramanantsoa
