ActualitésTsidika

Notolorana fanampiana maro ny EPP Ambohitrarahaba

Nanolotra fanomezana ny EPP Ambohitrarahaba ny 26 Aogositra lasa teo ny fikambanana «Les amis de l’EPP Ambohitrarahaba». Nahitana solosaina sy «imprimante», Dablio; fisotroan-drano madio voatatavana, fitaovana fanasan-tanana sy fanamafisam-peo ary «groupe éléctrogène» izany fanomezana izany.

«Ny Rotary Club any Frantsa no angady nananana sy vy nahitana izao tolotra izao» hoy ny avy ao amin’ny fikambanana «Les amis de l’EPP Ambohitrarahaba». «Mankasitraka indrindra fa hery lehibe hiatrehana ny taom-pianarana ho avy izao fanampiana izao ary manome toky fa ho ampiasainay tsara ho fanatsarana ny fanabeazana eto» hoy ireo mpampianatra. «Manohana ny EPP amin’ny lafiny maro tokoa noho ny fanohanana ny sekoly izay anisan’ny fototry ny fampandrosoana ianareo fikambanana nanome fanampiana, tena namana ara-bakiteny tokoa» hoy ny Ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy izay nisoloan’ny lefitra faharoa tena.

Ny fampianarana tokoa no antoky ny fampandrosoana, ary rehefa tsar any dieny mbola eny amin’ny ambaratonga fototra ny zaza iray dia hantenaina sahady ny hampandrosoany ny firenena rehefa tafiakatra amin’ny ambony kokoa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire