ActualitésTatitra

Etats-Unis : Namafa fantsona maromaro i Youtube

Nanambara ny tompon’andraikitra tao amin’ny Youtube ny 29 septambra teo fa hanamafy ny adiny amin’ny atin’ireo horonantsary manohitra ny vaksiny ao amin’ny tranonkalany. Namafa fantsona olo-malaza américain maromaro nanohitra ny vaksiny izy tao aorian’izay. Ireo rehefa nilaza fa mitondra voka-dratsy ny vaksiny rehetra nankatoavina, izay nilaza fa misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana izany sy izay rehetra nampita hevitra toy izany no nofafana raha ny fanazavana. Anisany nofafana tamin’izany ny an’ny mpandraharaha Joseph Mercola izay nanaparitaka vaovao tsy marina momba ny coronavirus. Efa nisy mpanaraka 400 000 nefa ny tenany.

Laisser un commentaire