ActualitésTatitra

Italie : Olona 8 maty noho ny fianjerana fiaramanidina

Tao Milan, ny alahady teo no niseo ny tranga. Fiaramanidina mpitondra mpizaha tany Pilatus PC-12 no nianjera tao San Donato Milanese, kaominina iray ao atsimo atsinanan’ny renivohitr’i Lombardie. Nianinga tao amin’ny seram-piaramanidina Linate ity fiaramanidina ity ary saika hiazo an’i Olbia ao Sardaigne.Efa nirehitra ny fiaramanidina vao nianjera ary nidoa tamina trano iray lehibe raha ny fanazavana. Olona valo no maty tamin’izany, mpandeha ny fito ary ny mpamory ny fiaramanidina ny iray. « Reko nangovindrovitra ny trano ary nahita afo be nilatsaka aho » hoy ny lehilahy nanatri-maso iray ka niantso avy hatrany ny Agence nationale de sécurité aérienne (ANSV).

Laisser un commentaire