ActualitésTatitra

France : Hotanterahina amin’ny zoma ny fandevenana an’i Bernard Tapie

Namoy ny ainy teo amin’ny faha 78 taonany ny alahady 3 oktobra teo i Bernard Tapie. Nararin’ny homamiadan’ny vavony hatramin’ny taona 2017 izy. Mpandraharaha sy mpanao politika izy saingy ny naha filohan’ny Olympique de Marseille azy tamin’ny taona 1986 hatramin’ny taona 1994 no tena nahafantaran’ny maro azy.Hotanterahina rahampitso ny lamesa fanomezam-boninahitra ao Paris. Ny zoma izao kosa izy vao halevina raha ny fanazavana ary ao amin’ny katedraly Sainte Marie-Majeure (La Major) ao Marseille no hanaovam-beloma azy. Anisan’ireo nitondra an’ny Olympique de Marseille teo amin’ny tampon’i Europe i Bernard Tapie hoy ny filoha Emmanuel Macron.

Laisser un commentaire