SocialTatitra

Royaume-Uni : Miverina matetika ny olana amin’ny tsy fahampian’ny fanafody

Tao anatin’ny roa taona izao no niseho ity olana, noho ny tsy fahampian’ny fanafody ity tao Royaume-Uni. Manano sarotra ireo toeram-pivarotana fanafody sy ireo mpitsabo, indrindra fa ireo marary ny mitady fanafody noho ity olana ity. Ireo karazana antibiôtika, ny fanafody fampitoniana ireo manao krizy, ireo hormonina sy ireo karazana fanafody ho an’ny vehivavy no tena naharaisana antso fanairana be indrindra, raha ny voalaza. Nitombo avo roa heny izany fitarainana noho ny tsy fahampian’ny fanafody izany tao anatin’ny telo taona ; raha toa ka nanomboka ny 648 ny fitarainana voarain’ireo tomponandraikitry ny fahasalamana any an-toerana ny taona 2020, dia tafakatra 1634 izany tamin’ny taon-dasa. Antony maro no mahatonga ny tsy fahampian’ny fanafody ao amin’ity firenena ity ; tsy ao ihany anefa fa hatrany amin’ny manerana an’i Europe ; teo ny fikorontanana teo amin’ny fitahirizana fanafody noho ny covid-19, teo ihany koa ny fiakaran’ny tranga, ankoatra izay dia fivoahan’i Angleterre amin’ny kaontinanta ity na ny « Brexit »

Laisser un commentaire