SocialTsidika

Atsimo Atsinanana : Mila antsika ny vahoaka any an-toerana

Voa mafy, ary nitondra takaitra noho ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai, ny faritra Atsimo Atsinanana amin’izao fotoana izao. Miantso vonjy amin’ireo malala-tanana izy ireo ankehitriny.

« Vonjeo iay Sud Est. Andao ifagnome tagna zalahy mba ho fagnampia ireo havantsika » hoy i Alfred, mponina avy any Atsimo. « Tsy vitanay samirery ny famonjena ireo tra-boina. Miantso antsika malala-tanana toy ny fikambanana sy ny ONG eny fa na ny olon-tsotra sy ny fianakaviana aza, hanao soroka miara-milanja hanavotana ireo mponina tra-boina » hoy ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana.

« Ny erikerika no mahatondra-drano. Angony izay foy hanavotana ireo mpiray tanindrazana. Tsy fidiny ho azy ny toy izao fa noho ny natiora. Fotoana izao hanehoana ny firaisan-kina sy ny soatoavina maha Malagasy » hoy i Aina, mpikabary sady mpampianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Mila antsika Malagasy ny Malagasy tra-boina sy voa mafy. Miandrandra mafy ny fanampiana avy amintsika izy ireo. Tsy misy hafa-tsy isika samy mpiray tanindrazana aloha no tokony hifanampy voalohany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire