SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Nandraisana fepetra ny tsy fandriam-pahalemana

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny solontenam-panjakana tany Ankadikely Ilafy mikasika ny fandriam-pahalemana ao amin’ny Kaominina iray manontolo, izay nakana ny hevitry ny mponina ihany koa.Teboka telo no nivoaka nandritra izany izay neken’ny rehetra ho vahaolana mikasika ny tsy fandriam-pahalemana misy any an-toerana. « Mila manome ny loharanom-baovao haingana sy ara-potoana ny rehetra mba hahafahana manara-maso akaiky ny fivezivezena amin’ny alina, indrindra ny fisavana ireo vahiny » hoy Rajaonah Rija, ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy. « Hisy ny hetsika ho ataonay mpitandro filaminana iarahana amin’ireo andrimasom-pokonolona sy ny fisavana ny kara-panondro ho an’izay mivezivezy aorian’ny amin’ny 9ora alina » hoy ny mpitandro filaminana any Ankadikely Ilafy. »Taloha izao nisy ny vaomeran’ny fandriam-pahalemana isaky ny Fokontany izay tokony ho averina hanampy ny mpitandro filaminana amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny fametrahana jiro isaky ny fokontany ary ny elakelantrano ihany koa dia isan’ny vahaolana mety » hoy i Jacky, mponina any Andafiavaratra Ankadikely Ilafy.Marihina fa misy Fokontany 18 ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy ary ny fiaraha-miasa amin’ny mponina ao anatin’ny Fokontany iray no tena zava-dehibe ho an’ny fandriam-pahalemana. Miara-mientana ho an’ny fahombiazana ny tsirairay, mitarika fotsiny ny mpitondra fa isika vahoaka no tena heriny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire