Fizahan-tany : Nofoanana ny fandoavan-ketra amin’ity taona ity
Isan’ireo sehatra tena mikaikaika sy mitondra faty antoka tanteraka amin’izao ny fizahan-tany. Vao tsy ela akory izao no nihetsika ny avy ao mpiantsehatra amin’ny fizahan-tany tany Fianarantsoa izay velon-taraina manoloana ny fisian’ny valan’aretina kanefa tsy misy vahaolana akory. Nidina an-dalambe nitondra sora-baventy milaza fa noana sy sempotra tanteraka ny sehatrin’ny fizahan-tany izay notontosain’ireo ao amin’ny mpiantsehatra ao Diego. Ny fizahantany no seha-pihariana voalohany ao an-toerana, amin’ny lafiny toe-karena. Nisy fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana nampiato ny sidina avy any ivelany ary nanakatona ny Distrikan’i Nosy Be. Nitondra vahaolana nanoloana izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ny andron’io 8 May teo, nitondra vahaolana ho azy ireo. Nofoanana ny fandoavan-ketra eo amin’ny sehatra mifandraika amin’ny fizahan-tany amin’ity taona ity. Azo lazaina fa isan’ny vahaolana amin’ny mpisehatra amin’ny fizahan-tany izao nomena izao kanefa amin’ny am-pahany ihany izany, ny loharanom-bola mihitsy manko no tena olana fa tsy ny habetsan’ny vola mivoaka loatra. Marary tanteraka ny sehatra ankehitriny tsy any Diego irery fa manerana an’i Madagasikara mihitsy.
Nicole Rafalimananjara
