France : Tafiditra ao amin’ireo kaompaniam-pitanterana 10 tsara indrindra ny Air France
Namoaka ny lisitry ny kaompaniam-pitanterana an’habakabaka tsara indrindra ny masoivoho britannique Skytrax. Tafiditra ao amin’ireo 10 tsara indrindra amin’izany ny Air France raha lavitry ny filaharana nisy azy tamin’ny taona 2019. Lasa fahafolo ao amin’ny lisitra izy raha mbola nisy 13 teoohany tamin’io taona 2019 io.Mbola mitany ny laharana voalohany kosa ny Qatar Airways. Efa fahaenina amin’ity lisitra ity izy no nitany io laharana io hatrany amin’ny taona 1999. Manaraka azy ao kosa ny Singapore Airlines. Fahatelo ny All Nippon Airways, manaraka ny Emirates, ny Japan Airlines, ny Cathay Pacific, ny Eva Air, ny Qantas Airways, ny Hainan Airlines ary ny Air France.
